Jude

1Joda, mpanompon’i Jesosy Kristy iray, rahalahan’i Jakoba, ho an’ireo izay antsoina hoe, malala ao amin’Andriamanitra ilay Ray, sy voatahiry ho an’i Jesosy Kristy: 2Hampitomboina ho aminareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.

3Ry malala, raha iny nanao ny ezaka rehetra hanoratra ho anareo ny mahakasika ny famonjena hiombonantsika iny aho, dia nanoratra ho anareo aho mba hanosika anareo hiady mafy ho an’ilay finoana izay efa natolotra indray monja ho an’ireo mpino. 4Fa ho an’ny olona sasany nisisika antsokosoko eo aminareo. Ireo dia olona voamarika ho an’ny fanamelohana. Ireo dia olona ratsy fanahy izay manevateva ny fahasoavan’Andriamanitra ho any amin’ny fijejojejoana, ary dia mandà ny Andriana sy ny Tompo tokantsika, Jesosy Kristy.

5Ankehitriny aho dia te hampahatsiaro anareo_na dia efa fantatrareo tanteraka ary izany_fa ny Tompo dia nanavotra ny olona avy tao amin’ny tany Egypta, fa taorian’izany dia naringany izay rehetra tsy nino. 6Ary ireo anjely izay tsy nitana ny fahefana izay napetraka tamin’izy ireo, fa izay nandao ny fonenan’izy ireo_Andriamanitra dia namatotra azy ireo tamin’ny fatorana mandrakizay, ao amin’ny maizin-kitroka tanteraka, ho amin’ny andron’ny fitsarana lehibe.

7Tahaka an’i Sodoma sy Gomora sy ireo tanàna manodidina azy ireo, izay nanolotra ny tenan’izy ireo ho amin’ny fijangajangana sy ny fanaovana filana tsy ara-boajanahary. Dia natao ohatra amin’ireo izay mijaly amin’ny fanasaziana any amin’ny afo mandrakizay izy ireo. 8Kanefa toy izany ihany, ireo mpanofinofy ireo dia mandoto ihany koa ny vatan’izy ireo, ary miteny zavatra ratsy manohitra ireo manam-boninahitra.

9Fa na dia Mikaela arikanjely aza, rehefa niady tamin’ny devoly sy nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hanameloka azy. Fa hoy kosa izy: “Hananatra anao anie ny Tompo!” 10Fa ireo olona ireo dia miteny ratsy ny zavatra rehetra tsy fantany. Ary izay fantany_tahaka ny fahalalan’ny biby tsy manan-tsaina_izany no manimba azy ireo. 11Loza ho azy ireo! Fa raha nandeha tao amin’ny tanànan’i Kaina izy ireo, ary nanaraka ny fahadisoan’i Balama hahazoana tamby. Dia ringana tao amin’ny fikomian’i Kora izy ireo.

12Ireo dia ilay olona izay harambato miafina ao amin’ny sakafom-pitiavanareo. Mihinana am-pahamenarana, mamoky ny tenan’izy ireo ihany. Izy ireo dia rahona tsy misy rano, entin’ny rivotra. Hazo fararano tsy misy voany_ indroa maty, niala fakany. 13Izy ireo dia onjan-dranomasina mahery, mitopatopa mamorivory ny fahamenaran’izy ireo. Kintana mirenireny izy ireo, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ny maizina.

14Ary Enoka, ilay faha fiton’i Adama, dia efa naminany momba ireo, niteny hoe: “Indro! Ho avy ny Tompo miaraka amin’ireo masiny aman’alinalina. 15Ho avy Izy mba hanatanteraka ny fitsarana ny olona rehetra. Ho avy Izy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra tamin’ny asa vitany tamin’ny haratsiam-panahiny, ary ireo teny mafy rehetra izay nolazain’ny olona ratsy fanahy hanohitra Azy.” 16Ireo dia mpimonomonona, sy mpimenomenona, izay manaraka ny filan-dratsin’izy ireo. Izy ireo dia mpieboebo fatratra, izay, nohon’ny tombontsoan’izy ireo manokana, dia mandoka ny hafa.

17Fa ianareo, ry malala, tadidio ireo teny izay notenenin’ireo apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny. 18Hoy izy ireo taminareo: “Fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira izay hanaraka ny filan’ny haratsiam-panahiny.” 19Ireo olona ireo dia mitarika fisarahana. Izy ireo dia olona araka ny nofo, ary tsy manana ny Fanahy

20Fa ianareo, ry malala, miorena tsara eo amin’ny finoanareo masina indrindra, ary mivavaha amin’ny Fanahy Masina. 21Mitoera ianareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ary andraso ny famindram-pon’i Jesosy Kritsy Tompontsika izay mitondra anao ho amin’ny fiainana mandrakizay.

22Mamindrà fo amin’ireo izay misalasala. 23Vonjeo ary sariho hiala amin’ny afo ny olona sasany. Ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra. Mankahalà na dia hatramin’ny akanjo nolotoin’ny nofo aza.

24Ary ho an’izay miaro anareo mba tsy ho tafintohina, ary hahatonga anao hijoro eo anatrehan’ny voninahiny, tsy misy tsiny ary am-pifaliana lehibe, 25amin’Andriamanitra tokana Mpamonjintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra, ny fahalehibiazana, ny fahefana, ny hery, talohan’ny fotoana rehetra, ankehitriny, ary mandrakizay. Amena

Copyright information for PltULB